VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

LIOKA 1.67-75
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

LIOKA 1.67-75

Andeha hisaotra ny Tompo

1-Mamangy ny   vahoakany Izy (and 68-71)

Ny fahaterahan’i Jaona mpanao Batisa  dia mariky ny fahatanterahan’ny teny  fampanantenana avy amin’ Andriamanitra . Jaona dia feno ny Fanahy masina hatrany am-pahaterahany . Tsapan’i Zakaria rainy avy hatrany  fa fikasan’ Andriamanitra hamangy  ny vahoakany amin’ny alalan’ny fiavian’i Jesoa Kristy izao fahasoavana izao . Izay  mahatsapa ny famangiana  sy ny fanavotan’ Andriamanitra azy  dia hahay  hisaotra  Azy . Andeha  hisaotra  ny Tompo  fa Izy  no Mpamonjy  antsika .

2-Mahatsiaro  ny fanekempihavanany Izy (and72,73)

Tsy mba mivadika amin’ny fanekeny ny Tompo . Koa ankehitriny  dia tonga ny famonjena izao tontolo izao araka izay nambaran’i Zakaria hoe: « namindra fo  tamin’ny razantsika Andriamanitra  , sady nahatsiaro  ilay  fanekempihavanana masina mbamin’ilay fiainana izay nataony tamin’i Abrahama razantsika dia ny hanala antsika amin’ny tànan’ny fahavalontsika « (and72,73) . Vavolombelon’ny fenekena nataon’ Andriamanitra hatrizay ny fahatongavan’i Jesoa tety . Koa andeha hisaotra ny Tompo sy ho vavolombelony fa tsy manadino antsika Izy ka manao fanavotana ho antsika .

Fanontaniana:

Isaky ny fotoana toy inona no misaotra ny Tompo isika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM