Aza matahotra !

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY  NY TOMPO

Eksodosy 4.1-8
1 Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah. 2 Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. 3 Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy. 4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy 5 mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. 6 Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala. 7 Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy). 8 Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.

Aza matahotra !

1-Ampy ho antsika ny teniny

« sambatra  kosa izay tsy nahita nefa nino

2-Manome famantarana ampy  ho antsika ny Tompo

« Aza matahotra »

Fanontaniana

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

 Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Asabotsy, 28 Janoary 2017

  ISAIA 45.20-25 Vavolombelona  mahatoky ny Tompo   Andriamanitra manambara  ny tenany ny Tompo .…

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Alahady, 1 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO Deot.7 :9-16 Ny fitondran’Andriamanitra ny  olom-boafidiny. 1 .Mahatsiaro ny teny nataony Andriamanitra(and.8) : 2.Tsy…

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Alahady, 29 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo LIOKA 4.23-30 Mijoro vavolombelona i Jesoa Fanontaniana: Birao Sekoly Alahady FOIBE…