VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Malakia 2.10-16
10 [Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika? 11 Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa. 12 Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza*, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly] 13 Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy. 14 Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. 15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra*. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra Izy] 16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Malakia 2.10-16

Vavolombelon’ny ratsy ataon’ny olona ny Tompo

1-Mifamitaka  ny mpino  na dia « iray Ray « aza

2-Manamaivana ny fahotana ratsy  indrindra ny olona

« eo imason’ Andriamanitra

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM