VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Janoary 2017
VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Jeremia 42.1-12
1 [Ny nangatahan'ny Jiosy an'i Jeremia haka hevitra amin'i Jehovah, ary ny anatra nataon'i Jeremia tamin'ny Jiosy kosa noho ny tsy nanekeny ny saina avy tamin'i Jehovah] Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona 2 ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao), 3 mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay. 4 Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. 5 Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay. 6 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay. 7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah. 8 Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe, 9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko* eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka] 10 Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. 12 Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Jeremia 42.1-12
Vavolombelon’ny fanekena ataontsika ny Tompo
1-Henoy aloha ny Tenin’ny Tompo
2-Raiso fa mahasoa ny Tenin’ny Tompo
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM