VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Janoary 2017
VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Hebreo 2.10-18
10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana. 11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy" 12 ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia] 13 Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18). 14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, 15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. 16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. 17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. 18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [* Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO
Hebreo 2.10-18
Mahatoky amin’ny famonjeny I Jesoa Kristy
1-Mpisoronabe ho an’ny olona rehetra Izy
2-Efa nalaim-panahy sy niaritra fahoriana ny Tompo
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM