Mendrika hankalazaina Andriamanitra.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO Efesiana :1.1-14
Efesiana 1,1 - 14
1 [Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [* Na: mino an'] 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, 4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, 5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika] 6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala. 7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray] 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova] 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Efesiana :1.1-14
Mendrika hankalazaina Andriamanitra.
Nisaotra an’Andriamanitra ny Apostoly Paoly noho ny fahitany ireo harem-pahasoavana azon’ny
Fiangonana.Ao amin’ny Fiangonana tokoa mantsy no anehoan’Andriamanitra ny voninahiny sy ny fitiavany hamonjy izao tontolo izao.Tombony ho antsika izany satria :1.Nifidy antsika Izy(and.3-6)
Hatrany amin’ny fanorenana izao tontolo izao no efa voafidy isika sady nohamasinina.Noho ny fitiavany antsika dia natsangany ho zanany isika ary mpiara-mandova an’i Kristy.Raha itodihana ny lasa dia hahatsapa isika fa feno fitahiana iny taona nodiavintsika iny ,na dia nisy aza ny zava-tsarotra nolalovana,satria hafa noho izao tontolo izao isika satria voafidy.
2.Nanavotra antsika Izy (and.7-10)
Andriamanitra dia marina.Raha ny fahotantsika dia tokony ho nihatra tamintsika ny fitsarany sy ny fanamelohany.Kanefa noho ny fitiavany dia natolony ny zanany ho avotra noho ny fahotantsika.Izany no tsy nandringanany antsika ahatrarantsika ny faran’ny taona.
3.Nanome ny Fanahy Masina Izy (and.13-14)
Ny Fanahy Masina no Mpisolovava antsika ka manamarina antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray sady antoka hahazoana ny fiainana mandrakizay.Ny Fanahy Masina no mitarika antsika hibebaka sy hanao ny sitrapony.Izy no mampahery sy mialoha làlana antsika hiatrika ny taona vaovao izay hodiavina indray.Amen !
Fanontaniana :
Inona no tena nanamarika ny fiarahanao tamin’ny Tompo tamin’ity taona ity ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM