SAMIA MIDERA NY ANARAN’I JEHOVAH !
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO SALAMO 148 ,13-14
Salamo 148,13 - 14
13 Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. 14 Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
SALAMO 148 ,13-14
SAMIA MIDERA NY ANARAN’I JEHOVAH !
Miantso ny olona rehetra sy ny voahary rehetra ny mpanao Salamo mba hidera an’Andriamanitra. Ny sokajin’olona rehetra no antsoina amin’izany na ny mpanjaka na ny vahoaka,na antitra na tanora.Miantomboka sy miafara amin’ny teny hoe:”Haleloia” izay midika hoe:”Miderà an’I Jehovah” izany baiko sy fiantsoana izany.Nahoana tokoa moa no antsoina hidera an’Andriamanitra isika?
1.Fa ny Anarany ihany no misandratra(and.13)
Ny Anaran’Andriamanitra dia milaza ny maha izy Azy.Izany no tsy tokony hanononana foana ny Anarany.Na dia misy aza ireo olona izay lazaina fa olona malaza sy “manam-boninahitra” eto amin’izao tontolo izao dia tsinontsinona akory izany,ary tsy azo ampitahaina amin’Andriamanitra velively,na toy inona na toy inona fahamboniana sy toerana misy Azy.An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ety an-tany sy any an-danitra.
2.Manandratra tandroka ho an’ny olony Izy(and.14)
Izy no mampitraka sy mampahery ny olony eo anatrehan’ny ady sarotra sy ny fahavalo.Izy no miaro ny olony.Izy no tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra na ny any an-danitra,na ny ety an-tany.Na dia nisy aza ireo ady natrehana nandritra iny taona nodiavintsika iny dia tsaroana fa teo mandrakariva Izy,ka nampitraka sy nampandresy antsika.Fa voasoratra hoe:”Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika”(Rom.8.37)
Fanontaniana:
Isaky ny fotoana inona moa no midera ny Tompo ianao?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM