Efa mba nahatsiaro niaritra ny mafy ve ianao noho ny fanarahana ny Tompo ?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

JAONA 12.2-26
2 Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy. 3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. 4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: 5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? 6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. 7 Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io. 8 Fa ny malahelo dia et? aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho et? aminareo mandrakariva. 9 Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty. 10 Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona, 11 satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy. 12 Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, 13 dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). 14 Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: 15 Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). 16 Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. 17 Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty. 18 Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. 19 Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao. 20 Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana, 21 ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay. 22 Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy. 23 Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona. 24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. 25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay. 26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.

Efa mba nahatsiaro niaritra ny mafy ve ianao noho ny fanarahana ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM