ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

Lioka 1.67-80
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. 76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany. 77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony, 78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[*Na: niposahan'] 79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana. 80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Lioka 1.67-80

Mendrika hisaorana ny Tompo Andriamanitra

1-Namangy sy nanavotra ny olony Izy (and68)

2-Mitandrina ny fanekeny Izy (and72-75)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ankalazaina Andriamanitra

Alarobia, 14 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO SALAMO 8.1-8 Ankalazaina Andriamanitra 1-Izy no mpamorona izao rehetra…

Ny fankalazana voarindra

Talata, 13 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO 1 TANTARA 16.4-7 Ny fankalazana voarindra Ny fiaran’ny fanekena…

Ankalazana ny Tompo ny asan’ny...

Alatsinainy, 12 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO Jaona 15.1-8 1-Izaho ny tena voaloboka (and1) Izany fanoharana…