ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

Ohabolana 3.5-12
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; 6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, 7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. 8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. 9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; 10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. 11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; 12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Ohabolana 3.5-12

1-Miantoka ny ho avy  ny Tompo (and5-8)

2-Miantoka  ny fahavokarana ny Tompo(and9-10)

3-Mananatra sy manafay ny Tompo (and11-12)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM