ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
Mika 5. 1-5
1 [Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2* ny Zanak'Isiraely.[Na: ho any] 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mika 5. 1-5
Ny fahaterahan’ny Mesia
1-Fahatonganan’ny mpanapaka (and1)
Dia avy ao aminao ry Betlehema no hivoahan’ny anankiray ho mpanapaka ho Ahy ao amin’Israely »
2-Fahatongavan’ny fiadanana
Izy no ho fiadanana
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM