ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Galatiana 1.18-24
18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro. 19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin'ny Tompo. [* Na: fa Jakoba kosa] 20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho. 21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho; 22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [* Gr. eklesia] 23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny . 24 Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Galatiana 1.18-24

« ary dia nankalazany an’ Andriamanitra  aho… »(and24)

1-Izaho ilay  mpanenjika fahiny (and23a)

2- Nitory ny finoana izay efa noravako aho (and23)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alakhady FOIBE FJKM