ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

Apokalypsy 15.1-4
1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. 2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao amin] 3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Apokalypsy 15.1-4

Ny hiran’ny mpandresy

1-Misy ny hivoaka ho mpandresy (and2)

2-Ny mpandresy  no afaka hanakalaza an’ Andriamanitra

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM