Ankalazana ny Tompo ny asan’ny mino

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Desambra 2016
Jaona 15,1 - 8
1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. 2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny*, mba hamoa bebe kokoa. [*Gr dioviny] 3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. 4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. 5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. 6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. 7 Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Jaona 15.1-8

1-Izaho ny tena voaloboka (and1)

Izany fanoharana izany no entin’i Jesoa nanambara ny tenany tamin’ny mpianany sy amintsika koa. Izy no foto-boaloboka : fototry ny fiainana sy anton’ny mbola ahavelomantsika . Izy no fototry ny fahombiazana amin’ny fahatanterahan’ny asa rehetra , ka tsy tokony hisy hirehareha amin’ny herin’ny tenany samirery . Tsy mahay mamoa ho azy isika , fa raha misy fitomboana sy fahavokarana dia i Jesoa no aoka hankalazaina .

2-Ianareo no sampany (and5b)

Izay manana firaisana amin’ny foto-boaloboka ihany no handrobona tsara sady mamoa . Fa izay misaraka kosa dia halazo sy hariana any ivelany , ary hatsipy ao anaty afo ka ho may . Mety hisy koa anefa sampany eo Aminy izay tsy mamoa . Tahaka izany ireo olona izay mba tonga matetika any am-piangonana kanefa tsy mety mibebaka. Ny olona tsy mety miasa sy tsy manao adidy dia olona tsy manana firaisana marina amin’i Jesoa . Lasan-ko raviny fotsiny . Ireny dia hesorin’ny mpamboatra . Mila mamokatra be isika ka ho tonga mpianatr’i Jesoa (and8). Ny voa dia hita ety ivelany . Ny voa no mariky ny firaisana amin’ny foto-boaloboka. Ny olona tena manana firaisana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra dia mampiseho toetra mifanaraka amin’izany ka tonga fantatry ny olona fa tena mpianatry ny Tompo , sady mahavita be tokoa amin’ny asany . Mbola manantena voa amiko sy aminao ny Ray .

Fanontaniana :

Azonao antoka ve fa manana firaisana marina amin’ny Tompo ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM