ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

1 Korintiana 10,31 - 11,1
31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. 32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra, 33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. 1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

1 Korintiana  10.31-11,1

Ataovy ho Voninahitr’ Andriamanitra ny zavatra rehetra (and31)

Aza  izay tianareo  hatao  no tanterahinareo , aza  izay mahafinaritra  anareo  no arahinareo , ary   aza izay mety   sy tsy mahadiso   anareo  ihany  no heverinareo . Fa  na inona  na inona ataonareo   dia aoka  ny zavatra iray loha   no hokendrena , dia ny hanomezam-boninahitra  an’ Andriamanitra . Izany   no fampianarana   tian’i Paoly hampîtaina  ho an’ny Korintiana  , sady  ho antsika koa :

1-Aza manao   izay  hahatafitohina  ny hafa (and32,33)

Tsarovy   fa miara-monina  amin’ny karazan’olona  maro isika  . Misy   amin’izy ireny  mbola malemy finoana  ka mora  tafitohina  . Ny fitiavana  hamonjy  ireny  namana  ireny  no tokony hibaiko  ny fitondrantenantsika . Koa lanjalanjao  ihany  izay tokony   sy tsy tokony  hatao eny imason’ny olona  na dia  madio  aza ny fieritreretanao .

2-Aoka  hanahana an’i Kristy (11.1)

Sarotra   ny miara-miaina  sy miara-monina  amin’ny olona  maro , satria  ny fihetsika aseho   sy izay heverina  fa hampandroso  ny hafa  dia mety   hampihemotra  ny sasany kosa. Kanefa   ny kristiana  dia tokony  hanome modely halain-tahana  ho an’ny olona rehetra . Ny fitondrantena  tonga lafatra   indrindra , izay  sady  manome voninahitra  an’ Andriamanitra   no mampandroso   ny namana  dia ny  fanahafana  an’i Kristy . Aoka  hanahaka  an’i Kristy  isika  amin’ny fitiavana  sy ny fanetrentena rehetra .

Fanontaniana:

Ahoana  ny fomba   hitaomana  ny mpanompo  sampy   ho tonga kristiana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM