ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
2 Samoela 22.47-51
47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, 48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy, 49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe; 50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. 51 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
2 Samoela 22.47-51
Mankalazà an’ Andriamanitra
1-Velona Izy :
2-Manafaka aaamin’ny tànan’ny fahavalo Izy (and49)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJK