ANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Desambra 2016

ANKALAZANA AN'ANDRIAMANITRA NY ASAN'NY MINO

1 Petera  2.11-12
11 [Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; 12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.

ANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NY ASAN’NY MINO

1 Petera  2.11-12

Ahoana  ny fomba   hitaomana  ny jentilisa  hankalaza   ny Tompo ?

1- Fadio  ny filan’ny  nofo (and11 a)

2-Mahaiza  mitondra tena (and12)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM