ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
Jaona 11.1-5
1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny. 2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary. 3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao. 4 Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra. 5 Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Jaona 11.1-5
Antsoy i Jesoa raha misy marary
Narary i Lazarosy , anadahin’i Maria sy Marta , ka dia naniraka olona izy ireo hampahafantatra an’i Jesoa izany . Fianarana lehibe ho antsika sahady izany . Fianarana lehibe ho antsika izany fihetsik’izy mirahavavy izany . Rehefa misy marary na zava-manahirana dia i Jesoa no voalohany antsoina . Nilaza i Jesoa fa tsy hiafara amin’ny fahafatesana akory izany aretina izany fa:
1-Mba hampisehoana ny Voninahitr’ Andriamanitra
« …Raha mino hianao dia hahita ny Voninahitr’ Andriamanitra »
2-Ho fankalazana ny Zanaka’ Andriamanitra
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM