ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

DEOTERONOMIA 26.16-19
16 [Teny farany hampahazoto ny Isiraely hatoky ny fahasoavan'i Jehovah sy mpanaraka Azy] Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo. 17 Efa nampiteny an'i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin'ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony. 18 Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra, 19 sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

DEOTERONOMIA 26.16-19

Voafidy   ho vahoakan’ Andriamanitra  ny Fiangonana

1-Hankato   ny didiny (and16,17b,18d)

2-Ho fankalazana   sy fanomezam-boninahitra  Azy (and 18)

fa  ho Andriamanitrareo Izy » (and17a) ary koa « … firenena  rakitra soa  ho Azy hianao » (and18a).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM