ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO 

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO 

Filipiana  1.9-11
9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, 10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra*, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, [* Na: samy hafa] 11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO 

Filipiana  1.9-11

Tonom-bavaka   ho an’ny   mpino

1-Mba hitombo  fitiavana (and9)

2-Ho madio   sy tsy manan-tsiny   (and10)

3-Ho feno  ny vokatry   ny fahamarinana (and11)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM