ANKALAZANA NY  TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Desambra 2016

ANKALAZANA NY  TOMPO NY ASAN'NY MINO

EKSODOSY  35.29-35
29 Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao. 30 Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, 31 ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa, 32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina, 33 ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra. 34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana. 35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.

ANKALAZANA NY  TOMPO NY ASAN’NY MINO

EKSODOSY  35.29-35

Ny asa  mendrika  hankalazana  ny Tompo

1-Asa  atao an-tsitrapo

2-Asa  anolorana ny talenta sy ny fahaiza-manao

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM