Alahady 27 Novambra 2016
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Novambra 2016
ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Alahady 27 Novambra 2016
Ny mpino manao asa tsara
Mitaona ny mpino mba hiaina marina araka ny Tenin’ Andriamanitra i Paoly . Amin’ny zavatra rehetra dia tokony haseho ny toetra mendrika maha-kristiana .
1- Mahita ny atao rehetra ny Tompo
Ny toe-po manaiky sy mankato no tena tian’ny Tompo hananana’ny mpanompo raha manatanteraka asa izy ireo . Tsy amin’ny fisehoana ety ivelany ihany fa tena avy ao am-po ka hihevitra ny atao rehetra ho toy ny an’ny Tompo . Rehefa fantantsika fa mahita ny ataontsika rehetra ny Tompo dia miasa amin’ny tahotra hatrany isika , tsy mijery olona eo am-panatanterahana asa fa mihevitra ny Tompo . Manao ho zava-dehibe ny andraikitra atolotra antsika ka mikajy fatratra izany noho ny amin’i Jesoa Tompontsika isika .
2-Mandray valimpitia avy aminn’y Tompo
Hovalian’ Andriamanitra araka ny asa nataony na ny fanatanterahana ny andraikitra nomena azy ny tsirairay . Fiainana mandrakizay no lova tsara ho an’ny mahatoky tamin’ny fanompoana . Fahaverezana mandrakizay kosa no anjaran’izay nanao antsirambina ny asany . Tarihina araka izany isika mba hanao asa tsara , handray ny lova nampanantenain’ Andriamanitta ho an’ny olony marina .
Fanontaniana:
Tsapanao ve fa amin’ny ataonao rehetra dia toy ny manao asa ho an’ny Tompo ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM