ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASANY

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Novambra 2016

ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASANY

ISAIA 43.1-7
1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. 2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; 3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. 4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. 5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; 6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany, 7 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASANY

ISAIA 43.1-7

Ilay Andriamanitra   Mpamonjy   sy Mpanavotra

1-Tsy miova amin’ny fitiavany Izy

2-Mandray an-tànana  ny ho avin’ny olony Izy

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM