ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO.

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Novambra 2016

ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO.

MALAKIA 3.7-12.
7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay? 8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb. fanatitra asandratra] 9 Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao. 10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. 11 Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany] 12 Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO.

MALAKIA 3.7-12.

Ny olona  te-handray  fankasitrahana.

1-Miala  amin’ny faharatsiana.

2-Manolotra   ny fahafolon-karena.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM