ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Novambra 2016
ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
Salamo 128.1-6
1 [Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. 3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao. 4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah. 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao. 6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Salamo 128.1-6
Ny olona matahotra an’ Andriamanitra
1-Miaina amin’ny fiainam-pitahiana
2-Ankohonana miavaka
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM