Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Oktobra 2016

 

SALAMO  141.1-4
1 [Fitarainana ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankat? amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao. 2 Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako. 3 Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro. 4 Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.

 

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

SALAMO  141.1-4

Mijoroa  ho mahatoky ka mivavaha mafy

1-Vavaka fitarainana mafy

2-Vavaka tena avo lenta

3- Vavaka  faka tahaka

  • Ny teny atao   tsy am-piheverana  (and3)
  • Ny eritreri-dratsy ao am-po (and4a)
  • Ny firaisana tsikombakomba  amin’ny ratsy  (and4b)
  • Ny fisakaizana amin’ny ratsy (and 4e)  (zahao 1 Ko 15.34 )

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM