MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Oktobra 2016
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MINO
TITOSY 2.6-10
6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena; 7 ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana, 8 ny teny tsy misy kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama] 9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, 10 tsy hangala-tet?, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
TITOSY 2.6-10
Mijoroa ho mahatoky amin’ny maha- « mpanompo » anao
Hoy ny and 9-10 : « ny mpanompo koa anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra , fa tsy hamalivaly , tsy hangala-tety , fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra , mba hamapahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra , Mpamonjy antsika amin’ny zavatra rehetra » .
1-Iza no mpanompo resahina eto ?
2-Inona no toetra mahatoky takina aminy eto ?
3-Inona no tokony hanentana azy hanana izany toetra izany ?
« mba hampahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra Mpamonjy antsika amin’ny zavatra rehetra , hoy i Paoly, izany hoe: mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianarana momba Ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika (DIEM) »
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM