MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MINO

LIOKA 12.41-48
41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra? 42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana? 43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy. 44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, 46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy] 47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be. 48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

LIOKA 12.41-48

Mijoroa ho mahatoky  fa hisy valiny  ny ataonao

1-Hisy   valiny  ny ataonao  olo-mahatoky fa ho avy  ny Tomponao

2-Hisy  valiny  ny ataonao  olo-mahatoky fa ho  sambatra  ianao

3-Hisy valiny ny ataonao olo-mahatoky fa tsy  hidiran-doza ianao

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM