Mijoroa ho mahatoky tahaka an’i Timoty

Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Oktobra 2016

1 KORINTIANA 4.14-20

1 KORINTIANA 4.14-20
14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. 15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara. 16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo. 17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako] 18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho. 19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny. 20 Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.

Mijoroa ho mahatoky tahaka an’i Timoty

1-Iza  moa i Timoty ?

2-Inona  no iraka  nampanaovina azy ?

« Izy no  hampahatsiaro  anareo ny fanaoko  ao amin’i Kristy, tahaka  ny ampianariko ao amin’ny fiangonana  rehetra  eny tontolo  eny »

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM