Mahatoky amin’ny asany ny mino

Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Oktobra 2016

1-Fantaro ny maha-mpitantana anao

1 Korintiana 4,1 - 5
1 Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay. 2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina* dia tokony ho olona mahatoky. [* Gr: mpitandrina fananana] 3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona* fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. [* Gr. andron'olona] 4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy: 5 koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

1 KORINTIANA 4.1-5

 

1-Fantaro ny maha-mpitantana anao

Ny  ambara eto hoe : « mpitandrina » dia tsy « pasitera »  akory  . Ny hevitry   ny teny  eto dia « mpitantana »  . ny asany  dia ny manara-maso ny fananan’ny tompony  . Raha  ampiharin’i Paoly amin’ny maha- Apostoly  azy izany  dia izao   no heviny : manara-maso   fatratra  ny fitoriana ny Filazantsara  izy mba ho voatory  marina izany , araka  izay tena  izy  tokoa . Isika koa  , tokony ho sarotiny toy izany , na eo  amin’ny Filazantsara  torin’ny hafa  na izay  torintsika .

 

2-Aza matahotra ny fitsaran’olombelona  (and3-5)

Matetika  ihany   no mahery   loatra  amintsika  ny fitsaran’ny olona  , ny mason’ny olona  , ny vavan’olona . Vokany : ireny   no atahorantsika  ka mibaiko    ny fihetsika  ataontsika , na ny fanapahan-kevintsika , na ny teny ambarantsika   eo am-panatanterahana  ny asan’ny Tompo   . Eto  dia mazava   ny sitrapon’ Andriamanitra : ny Tompo  no mpitsara ahy , hoy i Paoly . Ary izany ihany no tokony hotanantsika  koa . Milaza  izany   amin’ny fomba hentitra  i Paoly ao amin’ny Gal 1.10 ; Hoy izy : « Ary ankehitriny , olona va  no ilako  fitia  sa Andriamanitra ? Sa mila  sitraka  amin’olona  aho ? Raha mbola mila sitraka  amin’olona  aho  , dia  tsy mpanompon’i Kristy » . Izany  akory  tsy midika   fa tsy  hiraharaha  izay mety ho hevitra  ambaran’ny mpiara-miasa  isika . Tsia  ,fa izao : ny hahafaly an’i Jesoa  no fidintsika  raha  mifanohitra  amin’ny Azy  ny ambaran’olona .

Fanontaniana :

Toejavatra  toy inona  no efa  hitanareo  , nisian’ny hoe : hisy kristiana  tsy nahatoky satria  nila  sitraka  tamin’olona ?

Birao S ekoly Alahady FOIBE FJKM