Mijoroa ho mahatoky tahaka
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Oktobra 2016
Kolosiana 4,7 - 18
7 Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo; 8 ny anton'ny nanirahako azy ho at? aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo; 9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra at? . 10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga at? aminareo izy, dia raiso), 11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy. 12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara* amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho tanteraka] 13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy. 14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy. 15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony. 16 Ary rehefa voavaky at? aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana. [* Gr. eklesia] 17 Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany. 18 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
KOLOSIANA 4.7-18
Mijoroa ho mahatoky tahaka
an’i Tykiko sy i Onesimosy
Tany amin’ny Kol 1.7 dia nidera an’i Epafra i Paoly sy i Timoty . Eto kosa dia mpiara-miasa roa hafa indray no resahiny amin’ny fifaliana : i Tykiko sy i Onesimosy .
1-I Tykiko mpanompo mahatoky (and 7-8)
Mpiara-miasa tamin’i Paoly izy ka nirahiny . Izy no nirahiny hitondra ity Epistily ho an’ny Kolosiana ity sy ny Epistily ho an’ny Efesiana . Izany no olo-mahatoky : azo irahina ka sady manaiky irahina no mahatanteraka ny iraka ampanaovina azy . Isika koa dia irak’i Kristy ka antsoina ho iraka mahatoky « mamelombelona ny fon’ny tompony » araka ny Ohab 25.13
2-I Onesimosy : rahalahy mahatoky (and 9)
« Mahasoa » no hevitry ny anarana hoe : Onesimosy , mpanompon’i Filemona , loholona tao Kolosia izy nefa nandositra ny tompony ka nankany Roma . Niova ho kristiana izy rehefa nitorian’i Paoly ny amin’i Jesoa ary dia izao lasa mpiara-miasa aminy izao ka nirahiny hiverina tany Kolosia niaraka tamin’i Tykiko. Araka izany , ny olo-mahatoky dia izay nandray ny Filazantsara ka nanjary « rahalahy » na dia mpanompon’ny olona aza .
3-I Tykiko sy i Onesimosy : iraka mpampahery
Zavatra roa lehibe no nanirahan’i Paoly azy ireo : hampahafantatra ny zava-misy mba tsy ho tompon-trano mihono izy ireo , sy hampahery ny fiangonana tany Kolosia . Mbola iraka miandry antsika koa ny fampaherezana ny hafa toy izany .
Fanontaniana :
Inona re no toetra azo anondroana anao ho « mahatoky » ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM