Mijoroa ho mahatoky ka mandraisa anjara mavitrika
Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Oktobra 2016
Nehemia 3,1 - 3
1 Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy. 2 Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak'Imry. 3 Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak'i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
NEHEMIA 3.1-3
Mijoroa ho mahatoky ka mandraisa anjara mavitrika
Ny asa nifotoran’i Nehemia rehefa tafaverina avy tamin’ny fahababoana izy , dia ny nanangana indray ny mandan’i Jerosalema . Eo am-panaovana izany no ahitantsika ny toetra mahatoky itaoman’ny Tenin’Andriamanitra antsika eto .
1- Ny mpanompo mahatoky , mandray anjara fa tsy mitazam-potsiny
Andininy telo eto am-piandohana . Fa hitantsika manerana ity toko ity ireo sojakin’olona samihafa samy nandray anjara . Nisy ihany tokoa tsy nanao , araka ny voalaza hoe : « nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ny fanompoana ny Tompony (and 5) , fa ny maro dia nanao tokoa , arty izany no andrasana amintsika . Misy foana ny mihalangalana amin’ny asan’ny Tompo , ianao kosa , mandraisa anjara .
2- Ny mpanompo mahatoky , manao izay tandrify azy
Tsy nisy nihambo hp nahavita irery ity asa lehibe ity , fa nifarambona ny rehetra , samy nanao izay tandrify azy . Io fanekena hiara- miasa amin’ny hafa io dia toetra sarobidy . I Paoly dia mampahatsiaro izany raha nilaza « ny fifanompoan’ny isan-tonony araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’hy fitiavana » (Efes 4.16). Tsy toetra mahatoky ny samy maka ho azy .
Fanontaniana :
Inona no asa atao iombonantsika ato amin’ny FJKM ankehitriny ? Manao ahoana ny fandraisanao anjara na ny an’ny fitandremana misy anao amin’izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM