Mijoroa ho mahatoky amin’ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Oktobra 2016
3 Jaona 1,1 - 4
1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera] 2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. 4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

3 Jaona 1-4

Mijoroa ho mahatoky amin’ny fahamarinana

Sarobidy ity teny ity fa mamerina antsika amin’ny fototra tokony hiorenantsika dia ny fahamarinana . Fa tsy misy olona tena mahatoky raha tsy mitana izany fahamarinana izany sy mandeha amin’izany fahamarinana izany .

1-Inona izany fahamarinana izany ?

Ny fahamarinana dia ny fampianarana marina momba an’i Kristy sy ny fitoriana ny famonjena ao amin’i Kristy . Izany no foto-pinoana marina indrindra sady hany marina. Ny toetra mahatoky dia tsy toetra vokatry ny fitsipi-pitondrantena nampianarina fotsiny , fa tena mamaka ao amin’i Kristy sy ny teniny mihitsy .

2-Inona izany « mandeha amin’ny fahamarinana « izany ?

Mitovy amin’ny hoe : velona ao amin’ny fahamarinan’ny filazantsara , manaraka ny finoana marina eo amin’ny fiainana isanandro … Mahafaly azy (an’i Jaona ) ny fandehanan’ny zanany amin’ny fahamarinana , satria tsy finoana miafina ao an-tsaina fotsiny no nanana’izy ireo , fa finoana velona , nasehony tamin’ny toetra sy ny asa . Araka izany , raha marina ny fiorenanao amin’ny fahamarinana , asehoy amin’ny ataonao amin’ny toe-panahy mahatoky izany .

Fanontaniana :

Manana fahamarinana ao am-po ve aho ? Ary hita amin’ny ataoko ve izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM