Mijoroa ho mahatoky ka miambena mandrakariva
Mofonaina anio: Talata, faha 04 Oktobra 2016
Lioka 12,35 - 40
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. 37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MPINO
LIOKA 12.35-40
Mijoroa ho mahatoky ka miambena mandrakariva
I Jesoa no miteny eto ary tonga amiko sy aminao ny teniny , manafatra antsika ho mpanompo mahatoky . Toa inona izany mpanompo mahatoky izany ?
1-Mpanompo manefa tsara ny anjara fanompoany
Ny miandry ny tompony mba hamoha varavarana azy , rehefa miverina avy namonjy mariazy izy no anjara raharahan’ity mpanompo lazain’ny fanoharan’i Jesoa ity . Alina moa no fanaovana ny mariazy tamin’ny fomba jiosy tamin’izany. Tsy nimonomonona anefa ity mpanompo ity fa dia nanao tsara ny asany . Mpanompo toy izany no ilaina , hoy i Jesoa . Isika koa , eo amin’ny fanefana ny anjara fanompoantsika , mba hahalala izay asaina ataontsika ary hanatanteraka izany tsara .
2-Mpanompo vonona mandrakariva
Tsy fantatra mihitsy na amin’ny firy na amin’ny firy no hiverenan’ny tompony , saingy tsy natory mihitsy izy fa niaritra . Mpanompo toy izany koa no ilaina , hoy i Jesoa . Isika koa , mba ho vonona hiaritra , hiady amin’ny torimaso mety haharendrika antsika . Raha ny marina , tsy misy akory izany fanompoana mora izany . Ny fahavononantsika hisedra ny mafy no takiana , fa izany no porofon’ny maha- mpanompo mahatoky antsika . Tsy very maina rahateo ny fananana toetra mahatoky fa hivaly hasambarana , ka Izy Tompo indray eto no lasa nanompo ilay mpanompo mahatoky ( and 37) . Tsy mampino nefa marina .
Fanontaniana :
Fampiomanana ny amin’ny hiaviany no nataon’i Jesoa eto , vonona ve ianao raha tonga izao i Jesoa ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM