Mijoroa ho mahatoky fa aza manahaka ny ratsy fanahy

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Oktobra 2016
Salamo 1,1 - 6
1 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira; 2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina. 3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. 4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy. 5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina. 6 Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY TOMPOSALAMO 1.1-6

Mijoroa ho mahatoky fa aza manahaka ny ratsy fanahy

Ity Salamo ity no toy ny fitarihanteny amin’ny Bokin’ny Salamo manontolo . Ny fiainam-piderana marina an’ Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny fijoroana ho tsara fanahy . Koa izao no hafatra ho anstika eto :

1-Mijoroa ho mahatoky (and 1-3)Ny marik’izany olona mahatoky izany dia ny maha- tsara fanahy azy eto.Ireto avy ny toetrany : miavaka amin’ny ratsy izy , na amin’ny fisainany na amin’ny ataony (and1) mifikitra amin’ny Tenin’ Andriamanitra (and2) Azo antoka eo amin’ny andraikitra tazoniny izy (and3)Mariho manokana fa amavitrika izy ( tsy malazo ), mari-potoana (mamoa amin’ny fotoany ), manao tsara izay asa ataony izy ( lavorary avokoa) ka ambinina .

2- Aza manahaka ny ratsy fanahy Ny ratsy fanahy dia ny olona tsy mahatoky .Ireto avy kosa no toetrany : maivana toy ny akofa izy (and4) : endriny fotsiny fa poakaty , mihatsaravelatsihy Hiharan’ny fanamelohana izy (and5a) . Ny hiafarany dia any amin’ny fahaverezana (and6) Tsy tamana ao amin’ny fiangonana izy (and5b) fa manelingelina azy ny Tenin’ Andriamanitra marina .Koa antsoina isika ho olona mahatoky fa ny mahatoky ihany no sambatra (and 1)

Fanontaniana :Eo anoloan’izany fitaratry ny Soratra masina izany , olona mahatoky aho sa tsia ? Ary ianao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM