Mijoroa ho mahatoky na hihatra amana aina aza

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Oktobra 2016
1 Samoela 22,9 - 17
9 Ary Doega Edomita, mpifehy* ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.[Na: izay nitsangana teo amin'] 10 Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr'i Goliata Filistina. 11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra. 12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. 13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? 15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be. 16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. 17 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina* izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.[Heb. mpihazakazaka]

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

1 SAMOELA 22.9-17

Mijoroa ho mahatoky na hihatra amana aina aza

Ny zavatra resahantsika eto dia hitantsika ao amin’ny 1 Sam 21.2-10. I Ahimeleka mpisorona no olo-mahatoky tokony halaintsika tahaka eto .

1- Nandray anjara ny mpanompon’ Andriamanitra izy

Raha tonga teo aminy i Davida dia nandray azy tsara izy ,nomeny mofo sy sabatra izy .Ary izany dia taoa anatin’ny fanajana ny fitsipiky ny asany : ny mofo dia mofo masina ary olona madio ara-pivavahana no mahazo mihinana azy . Nilaza i Davida fa tsy nikasi-behivavy , dia nomeny azy izany . Izany no olona mahatoky : mahay mandray ny hafa , nefa ao anatin’ny fanajana ny fitsipiky ny asany , fa tsy fitiavana mihoa-pefy akory .

2- Nilaza ny marina tsy nisy olakolaka

Rehefa nampanantsoin’i Saoly mpanjaka izy ka nadinina ny amin’ny nandraisany an’i Davida toa izany , dia nambarany tsotra ny marina rehetra , nolazainy ny fahalalany an’i Davida ho olona akaiky dia akaiky ny mpanjaka , ny toetrany mahatoky . Nolazainy ny tsy fahalalany izay mety ho fikomiana ao ambadik’izay nataony . Izany no olona mahatoky :mahitsy , marina fa tsy nahavonjy azy tsy ho voaheloka ho faty izany , kanefa izay mihitsy no andrasana amintsika : mijoroa ho mahatoky na hihatra amana aina aza toa an’i Jesoa izay nahatoky hatramin’ny fahafatesana .

Fanontaniana :

Nihevi-tena no nahatoky teo imason’i Saoly i Doega Edomita , mety ve anefa ny nataony ? Nahoana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM