Alatsinainy 26 Septambra 2016
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Septambra 2016
Mpitsara 16,28 - 31
28 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa. 29 Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy. 30 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany. 31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINOMPITSARA 16.28-31
Ny fihainoan’ny Tompo ny vavaky ny mino
1-Mamonjy azy amin’ny tànan’ny fahavalo
Rehefa azon’ny Filistina i Samsona dia nopotsiriny ny masony mba tsy hahita intsony . Efa nesoriny rahateo ny volony izay niafenan’ny hery mampahatanjaka azy , saingy lava ny fotoana nampijaliana azy tamin’ny famatorana ka naniry indray ilay volony . Izany no nentin’ Andriamanitra Azy teo an-tànan’ny fahavalo , na dia niara-maty tamin’ireo aza izy .
2-Mitarika azy hanao zava-dehibe ny fahasoavana Nikasa hamaly faty i Samsona araka ny hitantsika eto ary dia notanterahany izany tamin’ny hery nananany , sady tsy nampaninona azy ny hiara-maty amin’ireo Filistina ireo . Maro ny matiny teto noho ny tamin’ny ady nataony . Nitsara nandritra ny roapolo taona izy , nefa tsy nasongadina ny aminy . Nataony ho zava-dehibe ny fahasoavana nomena azy ka nampiasainy ho porofo velona fa nomen’ Andriamanitra izany izy .
Fanontaniana :Tsapanao ve fa mamaly vavaka ny Tompo ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM