Ny fanambaran’ny mino ny zava-miafina fahiny

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Septambra 2016
Efesiana 3,1 - 13
1 [Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, - 2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, 3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. 4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy, 5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany, 6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, 7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny. 8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; 10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, 12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

Alahady 25 Septambra 2016

EFESIANA 3.1-13

Ny fanambaran’ny mino ny zava-miafina fahiny

1- Mampiseho ny fiombonana ho iray ihany

Niafina tamin’ny Jiosy ny Filazantsaran’ny famonjena dia i Jesoa Kristy izay tonga hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao tsy ankanavaka . Izay mino Azy dia tsy ho voazarazara intsony , satria Izy no fampihavanana ny olona amin’ Andriamanitra sady fampihavanana ny olona samy olona amin’ Andriamanitra . I Paoly dia natao ho apostolin’ny Jentilisa satria antso manokana no nomen’ny Tompo azy . Isika mino dia tsy maintsy milaza ny Tenin’ Andriamanitra ho fampiombonana ny olona rehetra ao amin’i Jesoa Kristy .

2-Mampahafantatra ny herin’ Andriamanitra

Tsy feno ny fahatakaran’ireo nino talohan’i Jesoa raha mitaha amin’ireo nino ato aoriana . Mihamazava ny fahatanterahan’ny teny nampitondraina ireo mpaminany , indrindra ny fahatongavan’i Mesia . Tena zava-miafina ny fanambaran’ireo mpaminany , nefa hita izao fa ny herin’ Andriamanitra tsy miova no miasa ao amin’izay mino Azy . Noho izany dia manana fahasahiana sy fanatonana ny mino ka manambara an’i Jesoa ho Kristy sy Tompo .

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahalalanao ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM