Ny fanambarana fahatapan-kevitry ny mino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Septambra 2016
Lioka 19,5 - 10
5 Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio. 6 Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly. 7 Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy. 8 Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. 9 Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa. 10 Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO
SABOTSY 24 Septambra 2016
LIOKA 19.5-10
Ny fanambarana fahatapan-kevitry ny mino
1-Mampijoro azy tsy ho menatra
Raha ny maha-izy azy an’i Zakaiosy dia voalaza mazava eto , saingy tsy nataony ho zava-dehibe noho ny mampandroso ny Tompo izany . Ny anarany moa dia midika hoe : »marina »na « madio » , izany hoe : noporofoiny fa olona tapa-kevitra hankato ny Tompo izy ka nesoriny izay mety hisakana azy tsy hahatanteraka izany . Nataony miharihary ny fahatapan-keviny ary tsy nahamenatra azy teo anatrehan’ny mpamory hetra namany izany . Mendrika halain-tahaka ity nataon’i Zakaiosy ity .
2-Mampiditra azy amin’ny fiaraha-monina vaovao
Nisain’i Jesoa ho zanak’i Abrahama izy noho ny fanapahan-keviny . I Abrahama dia rain’ny mino . Mitarika ny mino rehetra hanaiky tsy misy fepetra ny teniny ny Tompo . Navahan’i Jesoa i Zakaiosy satria tafiditra ao anatin’ny fiaraha-monina vaovao . Olona manetry tena raha mijoro ho vavolombelona no tadiavin’ny Tompo ankehitriny . Tsy foiny ho very isika . Koa manapaha hevitra ho an’ny Tompo .
Fanontaniana :
Efa nambaranao tamin’ny Tompo teo anatrehan’ny olona ve ny fanapahan-kevitrao hanompo Azy ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM