Ireo antony isaorana an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Martsa 2021
2 KORINTIANA 1.3-7
2 KORINTIANA 1.3-7
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, 4 Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay. 5 Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7 Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.Ireo antony isaorana an’Andriamanitra
Rehefa mamaky ny Epistily nosoratan’i Paoly isika dia miverimberina amin’ny zavatra nosoratany ny fisaorana an’Andriamanitra . Nisaotra an’ Andriamanitra i Paoly noho ireo asan’Andriamanitra teo amin’ny fiangonana kristiana. Antony roa no isaorana an’ Andriamanitra eto :
1-Mampionona Izy (and 4,5)
Ambaran’i Paoly fa Andriamanitra no nampionona azy tamin’ny fahoriany. Koa satria nampiononina sy nampaherezina izy dia tonga mpampionona sy mpampahery ny Fiangonana koa. Izay mahery ihany tokoa no afaka mampahery ny hafa. Hafatra nomen’i Jesoa an’i Petera izany. Hoy i Jesoa tamin’i Petera : »rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao » Lio 22.32
2- Mampiombona Izy (and 6,7)
Ny asan’Andriamanitra teo amin’i Paoly nanana toe-tsaina tia niombona tamin’ireo kristiana sy Fiangonana kristianina nitoriany ny Filazantsara. Amin’i Paoly dia iombonana ny fahoriana, iombonana toy izany koa ny fampiononana sy ny fampaherezana. Io fiombonana amin’ny zavatra rehetra io no mampatanjaka ny Fiangonana. Koa na dia misedra zava-tsarotra aza ny Fiangonana dia hahajoro mandrakariva noho io fiombonana io. Asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina io fampiombonana ny Fiangonana io. Koa izay rehetra manaiky ny asan’ny Fanahy Masina no hanana toe-panahy tia fiombonana toa an’i Paoly.
Fanontaniana:
Inona avy koa ireo antony tokony hisaorana ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM