Manao ahoana ny fanambarana ny Tompo efa nataontsika ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Aogositra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

JAONA 1.6-15 Ny fanambarana andrasana amin’ny kristiana
6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy. 9 Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao] 10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. 11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. 12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] 13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day] 15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy

Manao ahoana ny fanambarana ny Tompo efa nataontsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM