Ny fifalian’ny mino

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Aogositra 2016

MIARA-MIASA AMIN’NY FINOANA NY MINO

1 Petera 1,3 - 9
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, 4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, 5 izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, 7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, 9 mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.

MIARA-MIASA AMIN’NY FINOANA NY MINO

Alakamisy 04 Aogositra 2016

1 PETERA 1.3-9

Ny fifalian’ny mino

Naterak’ Andriamanitra ny mino

Manana an’ Andriamanitra ho Ray niteraka azy ny mino . Vokatry ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny famindrampon’ Andriamanitra dia lasa olombaovao ny mino na nateraka indray (and3) . Zavatra telo lehibe no iainana ankehitriny : voalohany , ny fanantenana , ny lova tsy mety simba sy tsy mety lo, madio voatahiry ao an-danitra ary ny famonjena efa vonona any am-parany . Manana fiainana mandrakizay ny mino ary efa niara-napetrany ao an-danitra ao amin’i Jesoa Kristy ny fiainany (Efe 2.6) .

Miravoravo ao amin’i Kristy ny mino

Manefy ny kristiana ny finoana ka ny fahoriana mihatra aminy manjary fiderana sy fanomezam-boninahitra ny Tompo (and7) . Ny fanenjehana ny mino tamin’ny andron’ny Romana sy ny Jentilisa dia tsy nampihemotra ny mpino , satria izany no fifaliany . Tsy atao ho zava-mahagaga ny fanenjehana izay mijoro amin’ny finoana an’i Kristy (1 Pet 4.12) . Mifaly ny mino satria vetivety ihany ny fahoriana (and6) .

Mandray ny famonjena ao amin’i Kristy ny mino

Mijoro amin ny finoana ny kristiana , izay efa nisafidy ny tena harena tsara lavitra noho ny volamena (and7). Miorina ao amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy indray ny fahafahany mijoro eo anatrehan’ny fizahan-toetra . Tsy mbola nisy nahita an’i Kristy ny kristiana ankehitriny , fa miandry io fiaviany io . Mahasambatra ny fanantenana kristiana ary mampijoro amin’ny faharetana . Toy izany no fandraisana ny famonjena ny fanahy (and9) .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fifaliana amin’ ny fahoriana , araka ny hevitrao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM