Ilaina ny fahaiza-mandamina
Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Jolay 2016
Jaona 6,10 - 15
10 Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany. 11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. 12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very. 13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana. 14 Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao. 15 Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..MPIARA-MIASA AMIN’NY TOMPO NY MINO
JAONA 6.10-15
Ilaina ny fahaiza-mandamina
Asaovy mipetraka ny olona (and10)
Izany no baiko nomen’i Jesoa ny mpianany mialoha ny hizarana hanina ho an’ny vahoaka . Efa hitantsika matetika amin’ireny fivoriambe samihafa misy fikarakarana sakafo ireny fa matetika dia hasosorana no hita eny amin’ny sasany , na koa fimonomononana ho an’ny hafa . Ny antony iray mahatonga ireny dia ny tsy fahampian’ny fandaminana . Eto dia manome lesona ho antsika ny Tompo mba tsy hisehoan’ny toy ireny intsony . Rehefa mahazo toerana avokoa ny rehetra , na ny kely na ny lehibe dia ho mora ny asa.
Angony ny sisa tsy lany (and 12)
Izany indray no baiko faharoa nomeny rehefa voky ny olona . Na dia maro be aza izy ireo dia samy nihinana avokoa mandra-pahavokiny . Ary tsy hoe voky fotsiny ny olona fa nanana amby ampy ny sakafo . Nasain’i Jesoa nangonina ireny ka nahafeno roa ambiny folo harona . Izany hoe : samy nahafeno harona iray avy izy roa ambiny folo lahy . Tsy tokony ho verivery foana ny fanomezana avy amin’i Jesoa . Mahaiza mitantana .
Fanontaniana :
Ahoana ny fitantananao ny fandaniana ao an-tokantrano ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM