Miara-miasa amin’ny mpanompony ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Jolay 2016

NEHEMIA 6.11-16

NEHEMIA 6.11-16
11 Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. 12 Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala. 13 Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy. 14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy. 15 Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola. 16 Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.

Miara-miasa amin’ny mpanompony ny Tompo

Ho fanoherana ny fahavalo

Ho famitana ny asan’ Andriamanitra (and 15)

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM