TOLOTRASA / TONIAN’NY MPIASA SY VOLA FOIBE
Ny Foibe FJKM dia mitady olona iray (1)
ho TONIAN’NY MPIASA SY VOLA FOIBE Lehilahy na Vehivavy 40 taona raha kely indrindra
Mpitandrina voatokana, 10 taona nanao asa pastoraly raha kely indrindra,
na Laika Diakona FJKM manana taratasy fanamarinana avy amin’ny Fiangonana niaviany
Manana ny Mari-pahaizana Bacc +4, raha kely indrindra : Gestion, Finances, Comptabilité, Management. Tombon-dahiny ny mari-pahaizana samihafa.
Mahalala ny FJKM, mahafehy ny Fotodalàna sy Fitsipika FJKM
Mahafehy ny fitaovana sy serasera informatika
Mahafehy ny tenim-pirenena : Malagasy, Frantsay, Anglisy
Manana finiavana hiara-miasa amin’ny hafa, mandray fanapahan-kevitra, mahafehy ny fandraharahana, mahay miatrika ny toe-javatra ao amin’ny Fiangonana
Salama tsara, afaka hivezivezy matetika
Afaka miasa avy hatranyANTONTAN-TARATASY ILAINA :
Sary tapaka iray (1), nalaina tao anatin’ny telo (3)volana.
Kopia Mari-pahaizana
Taratasy fanolorana avy amin’ny Mpitandrina niaviany (raha Laika)
CV
Taratasy sora-tanana milaza firotsahana
Taratasy maneho fahavononanaNy Antontan-taratasy mihidy misy ny soratra Tolotrasa voalaza eo ambony, dia haterina ao amin’ny Foibe FJKM, Analakely, rihana voalohany, Sekreteran’ny Filoha FJKM.Ny daty fara fanaterana dia ny ZOMA, 14 OKTOBRA 2016, amin’ny 4 ORA hariva. Azo alefa amin’ny mail <irakoammi@gmail.com> koa ny filatsahana ho mpifaninana.