SPAA11 / FJKM Anganomasina 150 T


 Mankalaza ny faha- 150 Taonany 

Tontosa  ny  Sabotsy 04 Novambra 2017 lasa teo  ny fanompoam-pivavahana   fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra  noho ny Jobily faha 150 taonan’ny  fiangonana  FJKM Anganomasina, izay niarahana tamin’ny Synodamparitany  Antananarivo Atsimo.

Ny Mpitandrina RANDRIANANJANIRINA Andriamanjato Mario, Biraon’ny SP no nitarika ny fotoana, ary ny Mpitandrina RABELISON Harimanitra Manassé, Prezida Synodaly kosa no nitondra ny hafatra avy amin’ny Soratra Masina. Izany niainga tamin’ny  Salamo 118 :24 “Ity no andro nataon’i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika. ”,  izay teny faneva amin’izao Jobily faha 150 taona izao. Nasongadiny tao anatin’izany toriteny izany àry fa Jehovah Andriamanitra no nanao ny andro , ary Andriamanitra koa no manendry ny zavatra atao. Ny andro rehetra nataon’Andriamanitra dia natao hifaliana ka ny fahatanterahan’ny fifaliana dia ao amin’Andriamanitra irery  ihany ary izany indrindra no hankalazana ny Jobily toy izao.

Araka tatitra nataon’ireo Komity sy ny nambaran’ny Mpitandrina ao an-toerana  dia ireto ny santionany amin’ireo asa natao  ho tsangambaton’izao Jobily izao :

  • Fampiakarana ny rihana
  • fanavaozana ny tafo
  • Fanaovana arofanina ny rihana
  • Famindrana  ny zava-maneno tany ambony rihana
  • Fandokoana ny atiny sy ivelany ny trano fiangonana
  • Fanavaozana ny varavarakely sy ny fitaratra rehetra ary ny grille de Protection.

Ireo voatanisa ireo ny ezaka vita fa  hitohy amin’ny fanaovana ho carreau manontolo ny anatin’ny fiangonana sy ny fanamboarana ny seza  ipetrahan’ny olona any ambony rihana ary ny fanadiovana ny tokontany hanana endrika tsara izany, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra tao an-toerana ihany, mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.

Marihina fa nahatratra hatramin’ny 75 000 000 Ar ny vola nenti-manana ny tsangambato . Izany dia niainga tamin’ny fanahin’ny fahafoizana avokoa, toy ny  : tonona, ny harona mahagaga, ny valopy, ny anjara biriky isan-taranaka sy ny fianakaviana. Azo ialana tokoa araka izany ny fanaovana « Billet », na dia manao fotodrafitrasa goavana aza, raha ity fanomanana ny faha 150 taonan’ny Fiangonana Anganomasina ity no iaigana, ary azo raisina ho fianarana izany.

                                                                                                                                 MAHERY