RADIO FAHAZAVANA / Rindrankira
FANASANA
Hanatanteraka hetsika ny RADIO FAHAZAVANA ny Alahady 20 Martsa 2016 ho avy izao , amin’ny 2ora sy sasany tolakandro , ao amin’ny FJKM SALEMA Vavao 67 Ha .Ny Hetsika hatao dia RINDRANKIRA iarahana amin’ny Antoko mpihira AMPIFITIA sy ny Tarika MIALY RAKOTOMAMONJY , ho fifanohanana sy fifanomezan-tànana avy amin’ny zanaky ny fiangonana FJKM .Ny vola azo amin’izany dia entina hampandehanana ny asa eto amin’ny RADIO FAHAZAVANA , indrindra ho fanampiana ireo Mpiasan’ny RADIO manana fanolorantena mampandeha izany onjampeo izany amin’izao fotoana izao .Koa manasa antsika mpianakavin’ny finoana , mpihaino mahafatrapo izany onjampeon’ny fiangonana FJKM izany mba ho tonga maro , hitondra amam-bavaka ny asa ary hanao fanomezana araka izay azonao atao ho Voninahitr’ Andriamanitra .