Fampianarana / miova sy manova.
FIANGONANA MIORINA ary
MANOVA AO AMBANY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA
1- Fiangonana manitatra ny Fitoriana ny Filazantsara : Tsiahivina eto ny maha izy ny Fiangonana sy ny vaindohan-draharahany, ary misy ny asa andrasana amin’ny Fiangonana. Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao ; Izy tokoa mantsy no Tompon’ny fahefana rehetra sy mahefa ny zavatra rehetra,ary manerana izao rehetra izao .Midadasika sy goavana ny saha, anirahan’ i Jesoa Kristy ny FIANGONANA. Mampieritreritra tokoa ireto voambolana nampiasain’ny Tompo ireto :-..Izao tontolo izao-Olombelona rehetra … ( Marka 16.15 -18, -….Firenena rehetra ( Lioka 24.46 -48 ) -……faran’ny tany ( Asa 1.8) –Ianareo no fahavan’izao tontolo izao.
Ireto misy toro-marika ,mba ahafahana miroso amin’izany :
• Ampiharo ny fomba fanitarana asa nataon’i Paoly (Asa) : Nandeha nitory ny Filazantsara sy namboly Fiangonana,tany amin’ny faritra hafa Izy
• Beazo ny Mpino ho tonga mpitory, ary hamaroy ny isany
• Hafainganina ny fihitaran’ny asa.
2- Fiangonana mahataona olona ho an’I Kristy : Asa fototra mampisy sy antom-pijoroan’ny Fiangonana dia ny FITORIANA NY FILAZANTSARA araka ny Matio 28:19 sy ny Marka 16 :15 . Ny Filazantsara ambara moa dia I Kristy Ilay maty ary nitsangana tamin’ny maty ka manome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy .1 Korint.15 :3-4 sy Jaona 3 :16 . Lafiny efatra lehibe no ahazoana mahita sy mampisy io vokatra io : – VAVAKA – FITORIANA NY FILAZANTSARA – FAMPIORENANA – FANANGANANA – VONDROM-BAVAKA .
3-Fiangonana maniraka olona
Izaho Izay Izy hatrizay ka ho mandrakizay , no navalin’Andriamanitra an’i Mosesy ,raha nanontaniany ny Anarany .Izy ANDRIAMANITRA MANIRAKA OLONA : I Jesoa Kristy naniraka ny Apostoly roambinifolo lahy sy ny fitopolo lahy hialoha làlana Azy, sady nomeny fahefana hanao ny asa rehetra , ary ny hafatra farany izay napetrany aza,dia baiko lehibe hitondrana izao vaovao mahafaly izao ,dia ny famonjena vitany any amin’izao tontolo izao. Nirahiny koa ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta ka teraka avy amin’izany ny Fiangonana,tenan’i Kristy.
Fiangonana maniraka olona
Nandray ny Fanahy Masina izy ireo – Nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra izy ireo – Naharitra tamin’izay nitarihin’ny Fanahy Masina sy ny Apostoly azy izy ireo ka tonga nahery indrindra dia niroso feno voninahitra ny Fiangonana – Nanana fiaraha-monina sy fanompoam-pivavahana tao anatin’ny fiombonana feno Asa 2-42.
4-Ny FJKM sy ny FITORIANA NY FILAZANTSARA ( Nohazavain’ny Filoha FJM Pasteur Irako R.Ammi)
Fiangonana FJKM takian’ny Tompo dia Fiangonana V.T.T. :
V . : Vokatra azo tsapain’ny Tanana no ilaina izay manamporofo fa velona Jaona 15.16 .Vokatra maharitra .Rehefa mitory dia mitory tokoa.Ny asa atao tsy maintsy tohizana
T. : Tanterahina mandava-taona ny asa Fitoriana Filazantsara .Manao tafika Masina isam-bolana ny Fiangonana ,manomboka ny volana Febroary 2017;
T. : Tsy azo sarahina ny asa sy ny Teny Matio 5 :16
Aza mijery izay kely hananana fa miantehera an’I Jesoa Kristy
Foto-dalàna : And faha 5
Fehiny 1-AZA MENATRA NY MIOVA 2-rehefa miova AZA MIOVA INTSONY 3-SAHIA MANOVA