Salon de l’Etudiant / Fanokafana

ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA

 SALON DE L’ETUDIANT

25,26,27 Sept 2017

 

Fijoroana  ho vavolombelona   no azo ilazana  ny Hetsika tanterahin’ny FJKM amin’ny alalan’ny  « Salon de l’Etudiant »  nokarakarain’ny Oniversity  RAVELOJAONA  ny  Alatsinainy 25 Septambra 2017  manoloana ny  Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo ,  izay mbola hitohy mandritra ny 3 andro .

Fanompoampivavahana  ankalamanjana  nahavory lanona ny  sokajin’olona maro : Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe  notarihan’ny Filohan’ny FJKM sy ny vadiny , ny Sekretera Jeneraly sy ny vadiny,  ireo  Président Synodal  sy Mpitandrina ombam-bady avy , ny fianakaviamben’ny FOIBE Ifanomezantsoa , ny Mpanolotsaina manokan’ny  Ben’ny Tanànan’ Antananarivo , ny Solontenan’ny Oniversiten’ Antananarivo sady mpampianatra ao amin’ny Oniversity Ravelojaona , ireo  vato nasondrotry ny tany zanaky ny FJKM  nanolotena hifarimbona amin’izao asa Fampianarana amin’ny Ambaratonga  ambony izao , ireo Tanora marobe liana amin’izao « Salon de l’ Etudiant » izao.

Nitarika ny Fanompoampivavahana : ny Mpitandrina ROBERT  Saonina Marson , Mpanampy ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana . Nitondra ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra kosa  ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi  Filohan’ny FJKM .

HAFATRA : Deoteronomia 28.13

 « Hataon’i Jehovah ho lohany ianao fa tsy ho rambony »

  • Hotahiana ianao
  • Raha mino ianao

1-Fitahiana ho an’ny lafim-piainana manontolo , satria mahaliana an’ Andriamanitra avokoa izany. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fianarana . Aza adinoina fa raha tonga voalohany teto ny Misionera dia ny Sekoly no naoriny  voalohany vao  ny Fiangonana . Fitahiana manokana : Ataony  mahazo ny laharana voalohany ianao . Raisiny an-tànana manokana ianao

2-Finoana roa sosona :

Finoana avy ao anaty , amin’ny fo sy finoana amin’ny ataonao

Tsy maintsy marina ny finoana an’i Jesoa Kristy isika .Miala amin’ny sampy . Ireo Misionera  nitondra ny Filazantsara teto Madagasikara dia tanora vao erotrerony , iraky ny Fifohazam-panahy mangotraka tany  Pays de Galles . Ny kristiana FJKM dia olona niova fo , marina amin’ny finoana …

Mila mianatra tsara ianareo , sady mianatra mafy ianareo ry Tanora , kanefa koa mila mitandrina mba tsy ho lasa sampy izany fianarana izany.Finoana  amin’ny ataonao :

Tsy maintsy miasa mafy isika FJKM . Isika no nanana ny Sekoly ambony voalohany teto amin’ny firenena . Tsy tokony hisy kristiana FJKM tsy mahavita devoara , na tsy miana-desona . Ataoko ho lohany ianao fa tsy rambony , hoy ny Tompo . Dia hotahian’ Andriamanitra anie ity Oniversity ity .

Taorian’ny Fanmpoampivavahana fanokafana ny Salon de l’Etudiant  no nitsidihana ireo trano eva misy ireo « Domaines » miisa enina  dia ireto avy izany :

DOMAINES :

 – Arts, Lettres et Sciences Humaines  (Théologie, Sciences du tourisme)

 -Sciences de la Societé (Sciences de Gestion , Droit),

-Sciences de l’Ingénieur(Génie Civil et Industriel,Sciences Agronomiques )

-Sciences et Technologies( Sciences de la Communication et Multimédia , Sciences de l’ Informatique)

-Sciences de l’Education (Langues et Lettres Anglaises, Formation et Recherches Pédagogiques )

-Sciences de la Santé (Infirmier Anesthésiste, Infirmier Généraliste, Maïeutique (sage-femme)   ,Technicien de Radiologie).

Marihana fa haharitra telo andro izao « Salon de l’Etudiant » karakarain’ny Oniversity FJKM RAVELOJAONA izao , ary Mpampianatra miisa 185 zanaky ny FJKM no manolotena hifarimbona amin’izao asa Fampianarana amin’ny Ambaratonga  ambony izao , ka ny 90% amin’ireo Mpampianatra ireo dia avy ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo avokoa . Isanandro dia hisy hatrany ny Velankevitra  samihafa manodidina  izao « Salon » izao .

Vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa  ny Tanànan’ Antananarivo , hoy ny  Mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna raha nitondra ny fitenenana izy .

Fisaorana ireo rehetra nahatontosa izao Hetsika izao kosa no natolotry  ny Solotena avy ao amin’ny Oniversity Ravelojaona  raha nandray ny fitenenana izy .Manomboka amin’ny Licence no dingana iezahana amin’ity taona ity . Marihana , hoy ny mpandahanteny , fa tsy mpifaninana amin’ireo Oniversity  efa misy ny Oniversity Ravelojaona  , fa manampy kosa  amin’ny fanofanana ireo tanora hitondra Fampandrosoana  ho an’ny firenena.

Ny Filohan’ny FJKM , Andriamatoa Irako Andriamahazosoa Ammi  no namarana ny fandraisam-pitenenana  izay nanehoany fisaorana lehibe noho ny fiaraha-miasa tamin’ny tomponandraikim-panjakana  isan’ ambaratonga .

Nisaorany manokana ireo Mpiasan’ny FOIBE FJKM , izay vory lanona tokoa miaraka amin’ny fanamiana  iombonana .

Nindrana ny tenin’ Andriamatoa NELSON MANDELA izy manao hoe :  « Fanabeazana  no anisan’ny mahery indrindra  amin’ny fitaovam-piadiana  hanova ny Fiaraha-monina  ho amin’ny fahatsarana sy ny fandrosoana tena izy ».

Raiso an-tànana ,hoy izy ny ho avin’ny firenena . Fanontaniana miandry valiny avy amin’ny rehetra ny teny farany nataon’ny Filohan’ny FJKM ary miantefa amin’ireo tanora kristiana : «   Inona no azoko hatao ho an’ny Fireneko ? »

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Ramatoa Sahondramalala Vololona