Fanofanana ireo mpitondra FJKM
Mitombo amin’ny fahalalana …
Dingana iray lehibe tokoa ny vitan’ny FJKM, tamin’izao taom-piasana izao. Tsy inona izany
fa, ny fanomezana fiofanana avolenta ny mpitondra ny FJKM isan-tsokajiny.
SYNODA LEHIBE 19
Ny Synoda Lehibe faha 19 tany Sambava (2021), dia nanapaka fa hajoro eo anivon’ny FJKM
Foibe ny Sampandraharaha Fampamokarana. Nokendrena hampiakatra ny loharanombola eo
an-tanan’ny Fiangonana izany. Ary ny Synodam-Paritany sy ny Sampana sy Sampanasa ary
Asa dia samy tarihina ho amin’izany Fampamokarana izany avokoa.
VINA FJKM (2021-2025)
Anisan’ny zavatra atao amin’izao taom-piasana izao, ny fanomezana fiofanana ny
Mpanapakevitra (BMF), ny Mpanatanteraka, ireo Prezida Synodaly, ireo Tonia sy Tale. Ireo
dia tompon’andraikitra mitondra ny isan’ambaratongan-drafitra, sy ny Sampana sy Sampanasa
ary Asa anivon’ny Foibe.
FIOFANANA
Ho fanatrarana izany, dia niofana teny amin’ny INSCAE 67 ha ireto rehetra ireto:
- ny Filoha sy ireo BMF, ary ny Mpanampy ny Filoha
- ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tonia telo Mpanatanteraka,, ary ireo Mpanampy azy avy.
- ireo PS rehetra mitondra ny SP
- ireo Tonia sy Talen’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa
- ireo Talen’ny TPM rehetra
- ireo olona hafa toy ny MF, ireo Mpitandrina mitondra Fiangonana, ary ireo mpiasan’ny
FJKM miasa any amin’ny FFPM.
Ny fiofanana EXECUTIVE MANAGEMENT no narahina nandritra ny 4 herinandro.
A.Z .Mpit